<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>E.P. Parker</author>
<hymn_number>12</hymn_number>
<lyrics>[V1]
 Jehovah ô, derainay Hianao !
 Ankalazainay ny Anaranao !
 // Izao rehetra izao manaja
 Anao
 Fa Rainay ho mandrakizay //

[V2]
 Mpanjakanay sy Tompo
 Masina
 Omenay eram-po ny hasina
 // Izao rehetra izao mihoby
 Anao
 Fa Rainay ho mandrakizay //

[V3]
 Ry Masina manerinerina,
 Jehovah be fitia sy marina !
 // Izao rehetra izao misaotra
 Anao
 Fa Rainay ho mandrakizay //

[V4]
 Manerana izao tontolo izao
 Ny laza sy ny voninahitrao,
 // Izao rehetra izao hanoa
 Anao
 Fa Rainay ho mandrakizay //

[V5]
 Andriananahary Masina ô !
 Tanteraka ny fiandriananao,
 // Izao rehetra izao mitsaoka
 Anao
 Fa Rainay ho mandrakizay //</lyrics>
<title>Jehovah o, derainay Hianao! FFPM12</title>
</song>